lundi, février 17, 2003


Firiem version ity
Namboarina androany indray ny endriky ny serasera. Azonaore ampidirina daholo ny lisitra hafa na radio na forum hafa mikasika an'i Madagasikara izay fantatrareo.
Mazotoa.

Hery

mardi, novembre 26, 2002


Sao ary dia adinoko no nilaza fa ny antony tsy nisian'ny fivoatry ny takelaka teto dia satria variana nanao takelaka hafa aho
amin'izao fotoana izao dia efa nivoaka indray ny http://namana.serasera.org izay mbola vokarin'ny serasera.org ihany koa. Io aloha no tena manahirana ahy. Angamba rehefa afaka kelikely indray hiverenana ny serasera.

Mazotoa

samedi, septembre 14, 2002


Nampiana kely indray ny http://tononkira.serasera.org
Naseho ihany koa ny lisitry ny mpandefa hira... asakasak'izay hanao ........ sy tsy hametraka anarana.

mercredi, septembre 11, 2002


Raiki-pitia an'i Joy K

Izay re no izy tsy mila afenina akory
Raha ny hasambarako izany ny mitoetra anilanao
Tsy mila olon-kafa intsony aho fa afa-po aminao
Izay mba kely ananako miampy ny fitiavako
Izay re no izy tsy mila afenina akory
Raha ny hasambarako izany ny mitoetra anilanao
Tsy mila olon-kafa intsony aho fa afa-po aminao
Izay mba kely ananako miampy ny fitiavako no zaraiko aminao


:: Nohatsaraina ilay version imprimable ao amin'ny http://tononkira.serasera.org - isaorana i Doc Strange - jereo aloha
:: Mieritreritra ny hanomboka ilay projet anakiray namana tsy ho ela. Efa natao ny logo sy ny page d'accueil. Sahirana amin'ny asa koa aho ka tsy afaka mivelatra firy. Alina izao tsy natory mihitsy... hatory aloha fa tsss.

samedi, août 31, 2002


Nisy asa kely azo natao ihany androany. Ao amin'ny http://tononkira.serasera.org
Nasiana version imprimable isaky ny hira... amin'izay tsy sahirana izay hanao impression... o ry zareo a! Na izany aza anefa mba asio hoe Nalaina tao amin'ny http://tononkira.serasera.org

dimanche, août 25, 2002


:: Nangingina tato ho ato ity takelaka ity fa mbola miady saina amin'ny hanaovana ilay pub center. Toa compliqué be ilay phpadsnew kanefa mba efa nikatroka ihany aho. Hita aloha fa mivoaka ny banner fa tsy araka ny ilako azy ho hita eo.
:: Na izany aza anefa dia nisy fanatsarana kely ihany ny tao amin'ny admin. Ary i Kaka ary ve tsy efa afaka manao mod amin'izay?

Pas de commentaires